Handikateny

WordPress no fitaovana be mpampiasa indrindra amin’ny fitantanana tranonkala. Efa misy dikan-teny maherin’ny 150 nifandrimbonan’ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerana izao tontolo izao.

Ianao koa afaka mitondra ny anjara birikinao amin’ny fandikana azy ho amin’ny teny malagasy, na ny fotony na ireo bika sy plugins fampiasa miaraka aminy.

Dingana voalohany

Tsotra kely ny fomba fandraisana anjara ary afaka manomboka sahady ianao na izao dieny izao aza :

  1. Midira amin’ny kaonty WordPress.org na manokafa kaonty
  2. Midira amin’ny pejy misy ireo tetikasa amin’ny teny malagasy ao amin’ny translate.wordpress.org
  3. Safidio izay tetikasa tianao handraisana anjara (misy vitsivitsy eo fa ny laharam-pamehana indrindra tokony dia ny 6.x.x – Development )
  4. Hitanao mipoitra ny fafana misy ireo fehezan-teny teny anglisy mila avadika ho teny malagasy